Michèle RAKOTOSON | ANDRAREZIN’NY HAISORATRA, NANDROMBAKA NY « Prix Orange du Livre en Afrique 2023 »
Mirehareha isika Malagasy manana an’i Michèle RAKOTOSON, mpanoratra fanta-daza ary mpanao gazety feno nitondra avo ny lazan’i Madagasikara hatrany ivelany.
Efa nahazo loka maro tamina fifaninanana iraisam-pirenena, ary dia izao indray izy dia nandrombaka ny » Prix Orange du Livre en Afrique 2023″ izao indray tamin’ny alàlan’ny boky navoakany farany milohateny « Ambatomanga, le silence et la douleur ».
Ny volana Oktobra 2022 manontolo dia natokan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina nentina nampahafantarana ny asa soratra sy ny mombamomba an’i Michèle RAKOTOSON, ho fanohanana azy tao anatin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena sy kaontinantaly natrehany.
« Tsy ho toy izao aho raha tsy nisy ny tranomboky », hoy i Michèle RAKOTOSON.
Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia miarahaba manokana an’i Michèle RAKOTOSON.
Sary: nindramina