FIZARANA HAFATRA SY TOROLALANA ARY FANENTANANA MANOLOANA NY LOZA ATERAKY NY ZAVA-MAHADOMELINA RÔRÔ

IREO NO NIVOITRA NANDRITRA NY TAFATAFA NIARAHANA TAMIN’NY MPIANATRY NY SEKOLY ESCA ETSY ANTANIMENA

Fanaon’ny mpianatra amin’ny kilasy famaranan’ny sekoly ESCA (École Sacré-Cœur Antanimena) ny misafidy izay ho mpiahy azy ireo hatrany amin’ny fanadinana bakalorea.

Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no nofinidin’ny mpianatra kilasy famaranana A-C-D sy Teknika « Promotion ZINA » izay andiany faha 64, ka omaly Alatsinainy no nifamotoana tamin’ireto mpianatra miisa 216 mianadahy tetsy amin’ny CC ESCA Ramatoa Mpiahy azy ireo.

Fotoana mamy sy mahaliana tokoa izay nitondran-Ramatoa Minisitra fizarana sy fanazavana ny dingana nodiaviny teo amin’ny seha-pianarana sy sehatr’asa ihany koa.

Izany dia narahina fanentanana sy manodidina ireo fotokevitra sy soatoavina lalainy ka namoronana fandaharanasa miisa 04 eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia ny:

ny 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 sy ny haren-tsaina manodidina ny fifanomezan-tanana;

ny 𝙉𝘿𝘼𝙊 𝙃𝘼𝙈𝘼𝙆𝙔 𝘽𝙊𝙆𝙔 sy ny famerenana ny soatoavin’ny vaky boky;

ny 𝙄𝙍𝘼𝙔 𝙄𝙃𝘼𝙉𝙔 𝙄𝙎𝙄𝙆𝘼 izay mampatsiahy fa samy malagasy isika ka tokony hifanampy sy hifankatia;

ny 𝘼𝙎𝘼 𝙎𝙔 𝙀𝙕𝘼𝙆𝘼 izay manentana fa tsy misy zavatra azo moramora ary tsy tokony miandry toloram-potsiny isika fa mila miasa sy miezaka.

Nahaliana an’ireto tanora ny fizarana nataon-dRamatoa Minisitra. Nahaliana ihany koa ireo fangataham-panazavana sy fanontaniana napetrak’ireto tanora izay hiatrika ny hoaviny tsy ho ela (𝐼𝑛𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑜 𝑓𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎𝑜?

𝐼𝑛𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝒉𝑎𝑠𝑎𝑟𝑜𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑑𝑖𝑛𝑔𝑎𝑚-𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎𝑜?

𝐴𝒉𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑖𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑡𝑜𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑚𝑎𝒉𝑎 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑠𝑦 𝑟𝑒𝑛𝑖𝑚-𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑘𝑎𝑣𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑎𝑟𝑦 𝑖𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑚𝑏𝑜𝑙𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑎? 𝐼𝑛𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑜 𝑎𝑛𝑡𝑜𝑛𝑦 𝑎𝑛𝑎𝑜𝑣𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑝𝑜𝑙𝑖𝑡𝑖𝑘𝑎? 𝑆𝑛𝑠 𝑠𝑛𝑠…).

Amin’ny maha reny mpiahy azy dia mahatsapa manana adidy Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, ka nanokanany fotoana koa omaly ny nanentana sy nanafatrafatra mikasika ny loza mitatao entin’ny fidorohana sy fitsindromana zava-mahadomelina toy ny RÔRÔ, izay mamotika tokoa ny fiainan’ireo tanora raha sanatria ka tafalatsaka amin’izany.