Tafaverina eto an-tanindrazana i MICHÈLE RAKOTOSON
Noraisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, tao amin’ny biraony androany zoma, Ramatoa Michèle RAKOTOSON, ilay mpanoratra malagasy nahazo ny loka « 𝑷𝒓𝒊𝒙 𝑶𝒓𝒂𝒏𝒈𝒆 𝒅𝒖 𝑳𝒊𝒗𝒓𝒆 𝑨𝒇𝒓𝒊𝒄𝒂𝒊𝒏 » taona 2023, tamin’ilay boky nosoratany milohateny hoe « 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑡𝑜𝑚𝑎𝑛𝑔𝑎, 𝑙𝑒 𝑠𝑖𝑙𝑒𝑛𝑐𝑒 𝑒𝑡 𝑙𝑎 𝑑𝑜𝑢𝑙𝑒𝑢𝑟 ».
Tafaverina an-tanindrazana ity mpanoratra ity taorian’ny nandrombahany ny amboara, ka nanokana fotoana izy nihaonana tamin-dRamatoa Minisitra niresahany mikasika io amboara lehibe azony io.
Nankasitraka ny ezaka rehetra nataon’ny Minisitera izy tamin’ny fampiroboroboana ny boky sy ny vakiteny. Ramatoa Minisitra kosa niarahaba azy manokana ary nanambara taminy ny reharehan’ny firenena malagasy iray manontolo amin’izao fanandratany avo ny kolontsaina malagasy izao.
Hanokana fotoana hanomezam-boninahitra azy manokana koa ny Minisitera amin’ny 23 Mai ho avy izao.
Nampiseho ny fahavononany hifanome tanana hampivoarana hatrany ny sehatry ny literatiora malagasy ny 2 tonta nandritra ny fihaonana, hisy ny fiarahamiasa hapetraka tsy ho ela hanohanana ireo tanora malagasy mpanoratra.