TAGNAMARO MAEVATANANA
Indray nihetsika nifanome tànana ireo Fokontany miisa 11 ato amin’ny Kaominina Maevatanàna I hiarovana ny tany manamorona ny reniranon’Ikopa amin’ny fiakaran’ny fasika manimba tanimboly manamorona ity renirano ity.
Eo koa ny tondradrano mampijaly ny vahoaka amin’ireo Fokontany efatra voakasik’izany : Ambatofotsy,Antaninandro, Ambodimanary sy Anosikely Avaratra).
Nisy ary ny fambolena bararata sy matsiho manamorona an’Ikopa ao amin’ireo fokontany ireo amin’ny velaran-tany 1ha avy.
Tonga maro nanatevin-daharana tamin’ity Tagnamaro ity mpiasam-panjakana avy amin’ny Fitaelavana sy Sampandraharaha maro notarihin’ny Faritra sy ny Prefektioran’i Maevatàna miampy ireo fikambanana sy Firaha-monim-pirenena isan-tsokajiny.
Mbola nanentana ny hanohizana ny ezaka aorian’izao ny Sekretera Jeneralin’ny faritra Betsiboka sy ny Ben’ny Tanànan’i Maevatanàna I satria ny dimampolo isanjaton’ny asa no notratrarina tamin’ity andiany ity ary mbola handray an-tànana ny fanohizana ny fanatevenana ny bararata sy fanaraha-maso ny fanirian’izany ny Komitin’ny Dina eny ifotony sy ny Fokonolona eny ifotony.