TAGNAMARO MANDRITSARA

FIZARANA KARAPANONDROM-PIRENENA MAIMAIM-POANA SY FAMPIDIRANA AZY IREO ANATY LISI-PIFIDIANANA.

Ireo olona feno 18 taona mihoatra tao amin’ny fokontany Maroaboaly, kaominina ambanivohitra Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara no nisitraka fanomezana karapanondrom-pirenena maimaim-poana, nandritry ny Tagnamaro izay natao androany Asabotsy 20 May 2023. Hetsika izay nokarakarain’ny Delegasiona Serasera sy Kolontsaina, niarahana niasa feno teo anivon’ny fiadidian’ny distrikan’i Mandritsara sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ao Mandritsara.

Anisany fokontany be mponina ny ao Maraboaly, nefa mbola betsaka no tsy manana ny karapanondrom-pirenena, ka izay indrindra no antony iray lehibe nanaovana izao Tagnamaro izao. Ambonin’izany nampidirana ho ao anaty lisim-pifidianana avy hatrany ireto olom-pirenena ireto. Fantaro fa miisa 300 no nisitraka izao fanomezana karapanondrom-pirenena izao.

Maimaim-poana avokoa izany rehetra izany.