TAGNAMARO VOLANA MEY

FARITRA BONGOLAVA DISTRIKA TSIROANOMANDIDY

Niavaka ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ity volana mey ity.

Didipoitra faobe maimaimpoana ho fanampiana sy fitsonjovana ny mpiara-belona no hetsika nentina nanamarika izany. Hetsika niarahana tamin’ny Faritra Bongolava sy ny Prefektiora ary ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka ary koa ny holafitry ny mpitsabo mpanampy.

Nisy ny fanolorana kilalao avy amin’Andriamatoa Goverinoran’ny Faritra ary teo ihany koa ny mofamy avy amin’ny mpiaramiombon’antoka « Good Deeds Day Madagascar » nomena ireo zaza vita didimpoitra teto.

Nanoloana ny biraon’ny Faritra Bongolava moa no nanaovana ity hetsika didimpoitra faobe ity izay nahasarika olona maro tokoa satria dia nahatratra hatrany amin’ny zato mahery ireo zazakely vita didipoitra teto.