๐‘ป๐‘ถ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ฒ’๐‘จ๐‘น๐‘ป: ๐‘ต๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฒ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ณ๐’€ 22 ๐‘ด๐‘ฌ๐’€ ๐‘ป๐‘จ๐‘ถ ๐‘ป๐‘บ๐‘ฐ๐‘น๐‘ถ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘ฐ๐‘ซ๐’€ ๐‘ต๐’€ ๐‘ฐ๐‘ฝ๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฌ๐‘น๐‘จ๐‘ด-๐‘ท๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ป๐‘น๐‘ฌ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ถ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ๐‘บ๐‘จ ๐‘จ๐‘น๐‘จ-๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ต๐‘ป๐‘บ๐‘จ๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ฏ๐‘จ-4

Taorian’ny tao ๐‘‡๐‘œ๐‘Ž๐‘š๐‘Ž๐‘ ๐‘–๐‘›๐‘Ž, ny teto ๐ด๐‘›๐‘ก๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘–๐‘ฃ๐‘œ ary ny tao ๐ผ๐’‰๐‘œ๐‘ ๐‘ฆ, dia ity eto #Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ity ny ยซย Centre d’incubationย ยป fahaefatra tantanin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Izay toerana ahafahanโ€™ny tanora manam-paniriana hanangana orinasa manaraka fiofanana sy manovo ny fahalalana mifandraika aminโ€™ny tontolonโ€™ny fandraharahana.

Raha tsiahivina, fandaharan’asa iray natomboky ny Minisiteranโ€™ny Serasera sy ny Kolontsaina tany Toamasina tamin’ny taona 2019, hanampiana ireo tanora manan-kevitra te handraharaha eo amin’ny lafiny kolontsaina ny fananganana Ivotoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina (start-up culturel) ny TOSIK’ART.

Mana-talenta, manan-kevitra tsara ny tanora malagasy fa tsy ampy tosika mba ahafahany mamadika izay talenta sy hevitra tsara izay ho lasa tetikasa mampidi-bola sy mahavelona azy.

Ny fanambin’ny Minisiteranโ€™ny Serasera sy ny Kolontsaina dia ny hanome tanana azy ireo miainga hatrany amin’ny famoahana ny hevitra famoronana ananan’izy ireo, ny fanoratana ny drafi-pandraharahana (business plan) ka hatrany amin’ny fanamasahana ny tetikasa ho lasa azo hikarohana famatsiam-bola any amin’ny banky.

Tsara ny manamarika fa maimaim-poana avokoa ny fisitrahana ny tolotra rehetra omen’ny Tosik’Art.

Ankoatra ny fanokanana ity โ€œIvo-toeram-pikotrehana orinasaโ€ ity dia nisy ihany koa ny fanombohana ny tetikasa โ€œPromโ€™Artโ€ izay tetikasa hiaraha-miasa aminโ€™ny UNESCO ho fampiroboroboana ny sehatry ny zavakanto ka teto Tsiroanomandidy renivohitry ny Faritra Bongolava no voasafidy hanombohana izany.

Ny tohin’izao dia ny fanokafan’ ny Minisitera ireo ยซ Centre dโ€™incubation ยป any amin’ireo renivohi-paritra manaraka efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, dia ๐ด๐‘›๐‘ก๐‘ ๐‘–๐‘Ÿ๐‘Ž๐‘๐‘’, ๐‘€๐‘Ž๐‘’๐‘ฃ๐‘Ž๐‘ก๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘›๐‘Ž, ๐‘†๐‘Ž๐‘š๐‘๐‘Ž๐‘ฃ๐‘Ž, ๐ด๐‘šb๐‘œ๐‘ฃ๐‘œ๐‘š๐‘๐‘’-๐ด๐‘›๐‘‘๐‘Ÿ๐‘œ๐‘ฆ, ๐‘€๐‘–๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘–๐‘›๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘–๐‘ฃ๐‘œ.
#Tosikโ€™Art