FANOMBOHANA NY HERINANDRON’ NY KARA-TANY AO AMIN’NY FARITRA BONGOLAVA
Fanamby lehibe apetraky ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ny fizarana kara-tany maimaimpoana ho an’ny Malagasy izay tokony ho tompon’ny taniny, ka miisa 2.000.000 no tanjona apetraka alohan’ny faran’ny taona 2023.
Amin’ny maha Minisitra mpiahy azy ny Faritra Bongolava dia Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no nitarika ny lanonana omaly Alatsinainy faha 22 Mey teto Tsiroanandidy.
Amin-kafaliana tokoa ny andraisan’ny vahoaka malagasy an’ity fandaharanasam-panjakana ity izay manome antoka ny malagasy fa ireo izay tena namelom-bolo ny tany no hisitraka ny fananana ny tany.
Anisan’ny olana lehibe eto Madagasikara ny fahasarotan’ny fahazoana taratasin-tany noho ny antony maro samihafa ary 70% an’ny olana eny amin’ny fitsarana dia ady tany avokoa.
Nanentana ny olompirenena rehetra izay manana tany efa nipetrahany na nohajariany an-taonany maro kanefa mbola tsy vaosoratra amin’ny anarany Ramatoa Minisitra, mba ho tonga hisoratra anarana eny amin’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany na eny amin’ny BIF na Birao Ifoton’ny Fananan-tany eny anivon’ny Kaominina ahafahana misitraka izay karatany hozarain’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany.
Tsy diso anjara ny faritra Bongolava satria kaominina miisa 22 amin’ny 30 no efa manana BIF, ny sisa kosa dia eny anivon’ny Biraon’ny Kaominina no afaka hanatanteraka izany.
Tsapan’ny Filoha Andry RAJOELINA hoy Ramatoa Minisitra ny fijaliana sy tahotry ny vahoaka maro ny taniny ho bodoina sy lasan’ny mpanam-bola sy mahitahita.
Koa isaorana izy nanao izao fandaharanasa goavana izao ho hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka.
Namporisihiny koa ny Ben’ny tanàna sy ny Sampandraharanan’ny Fananan-tany ary ny teknisianina rehetra mba hanatratra ny tanjona sy fanamby napetraka.