ยซย ๐‘ช๐‘ฌ๐‘ต๐‘ป๐‘น๐‘ฌ ๐‘ซโ€™๐‘ฐ๐‘ต๐‘ช๐‘ผ๐‘ฉ๐‘จ๐‘ป๐‘ฐ๐‘ถ๐‘ตย ยป ๐‘จ๐‘ถ ๐‘ป๐‘บ๐‘ฐ๐‘น๐‘ถ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘ฐ๐‘ซ๐’€-๐‘ฉ๐‘ถ๐‘ต๐‘ฎ๐‘ถ๐‘ณ๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ : ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘น๐‘จ ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ฐ๐‘บ๐‘จ 20 ๐‘ต๐‘ถ ๐‘ฌ๐‘ญ๐‘จ ๐‘ต๐‘ฐ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ป๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘ฐ๐‘ถ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ

Ny 22 Mey 2023 lasa teo no notokanana ity ivon-toerana fikotrehana orin’asa mandraharaha amin’ny sehatry ny kolontsaina sy Kolontsaina ity.

Nisy avy hatrany ny fiofanana nampisitrahana ireo tanora miisa 20 ao an-toerana.

Nahazo tombony lehibe ireo tanora, satria nosantarina tany Tsiroanomandidy ny tetik’asa ยซย PROMโ€™ARTย ยป izay iarahananโ€™ny ๐‘ผ๐‘ต๐‘ฌ๐‘บ๐‘ช๐‘ถ-๐‘จ๐’”๐’„๐’‰๐’ƒ๐’†๐’“๐’ˆ sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miara-miasa amin’ny alalan’ny TOSIK’ART.

Ka ireto avy ny lohahevitra:

ny alatsinainy 22 mey: Fitanranam-bola na ยซย ๐‘ฎ๐’†๐’”๐’•๐’Š๐’๐’ ๐’‡๐’Š๐’๐’‚๐’๐’„๐’Šรจ๐’“๐’†ย ยป,

ny talata 23 mey: serasera ara-kajy mirindra na ยซย ๐‘ช๐’๐’Ž๐’Ž๐’–๐’๐’Š๐’„๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’ ๐’…๐’Š๐’ˆ๐’Š๐’•๐’‚๐’๐’†ย ยป,

ny alarobia 24 mey: fanofanana ara-javakanto na ยซย ๐‘ญ๐’๐’“๐’Ž๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’ ๐’‚๐’“๐’•๐’Š๐’”๐’•๐’Š๐’’๐’–๐’†ย ยป.

Tsara fanombohana tokoa ny Centre d’Incubation Tsiroanomandidy satria andro vitsivitsy nisokafany dia efa nahazoam-bokatra sahady.

Hafaliana tsy misy ohatr’izany ny an’ireto tanora nisitraka taratasy fanamarinam-pahavitana fiofanana.

Hitohy any amin’ny renivohi-paritra hafa misy ivon-toerana ยซย Centre d’Incubationย ยป moa ity tetik’asa PROM’ART ity.