FANKALAZANA NY FAHA-15 TAONAN’NY MIRITSOKA PRODUCTION : NANKASITRAKA AZY NY MINISITERA MPIAHY
Mpisehatra matihanina eo amin’ny famokarana fampisehoana sy famoahana rakikiran’ny mpanakanto ary fikirakirana fanamafisam-peo ny Miritsoka Production.
Nankalazaina omaly alakamisy 25 mai 2023 ny faha-15 taona niangaliany ny kanto.
Fampisehoana 141 no efa novokariny, ary ny 119 tamin’ireo teto Madagasikara, ny ambiny tany ivelany.
Mpanakanto maro no efa namoahany rakikira sy novokariny an-tsehatra.
Nankasitraka ny anjara biriky goavana nentin’ny Miritsoka Production teo amin’ny tontolon’ny mozika ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka nahatonga ny fanandratana ny Tale mpamorona sy mpitantana, Andriamatoa Hery RANDRIAMAMPIANINA eo amin’ny laharam-boninahitry ny kanto « officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture ».
Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, amin’ny maha-Filohan’ny Vaomieram-pirenen’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina azy, no nitarika ny lanonam-panjakana nanolorana ny mari-boninahitra.
Nankasitrahan-dRamatoa Minisitra manokana nandritra ny lahateniny ny vokatry ny asa sy ezaka nataon’ny Miritsoka, niainga tamin’ny kely indrindra tamin’ny 2008 ka tonga amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao, orinasa ara-kolontsaina goavana, mamelona mpiasa sy fianakaviana ampolony maro amin’ny asa mivantana na tsy mivantana, anisan’ireo tena matihanina eo amin’ny sehatry ny famokarana fampisehoana sy ny fikirakirana fanamafisam-peo, ary indrindra mandray anjara mavitrika amin’ny fampiodinana ny indostrian’ny kanto sy ny kolontsaina.
Marihana fa Andriamatoa Niry RAVELOJAONA no ray mpiahy an’ity fankalazana ny faha-15 taona ity.