FISAORANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA ANโ€™I ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ช๐‘ฏ๐‘ฌ๐‘ณ๐‘ฌ ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘บ๐‘ถ๐‘ต

IVOKOLO ANALAKELY :

Nanandratra avo ny kolontsaina malagasy taty aminโ€™ny Kaontinanta Afrikana Ramatoa ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ช๐‘ฏ๐‘ฌ๐‘ณ๐‘ฌ ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘บ๐‘ถ๐‘ต, mpanoratra nandrombaka ny loka ยซ๐๐ซ๐ข๐ฑ ๐Ž๐ซ๐š๐ง๐ ๐ž ๐๐ฎ ๐‹๐ข๐ฏ๐ซ๐ž ๐ž๐ง ๐€๐Ÿ๐ซ๐ข๐ช๐ฎ๐žยป na ยซ POLA ยป taona 2023 taminโ€™ny alalanโ€™ilay boky nosoratany ยซ๐ด๐‘š๐‘๐‘Ž๐‘ก๐‘œ๐‘š๐‘Ž๐‘›๐‘”๐‘Ž, ๐‘™๐‘’ ๐‘ ๐‘–๐‘™๐‘’๐‘›๐‘๐‘’ ๐‘’๐‘ก ๐‘™๐‘Ž ๐‘‘๐‘œ๐‘ข๐‘™๐‘’๐‘ข๐‘Ÿยป. Ho fisaorana azy dia nikarakara lanonana manokana ho fanomezam-boninahitra ny talentany ny Minisiteranโ€™ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly.

Notolarana ny mariboninahitra ยซ๐‘ช๐’‰๐’†๐’—๐’‚๐’๐’Š๐’†๐’“ ๐’…๐’† ๐’โ€™๐’๐’“๐’…๐’“๐’† ๐’๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’๐’‚๐’ ยป i Michรจle RAKOTOSON avy aminโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika Andriamatoa Andry Rajoelina izay lehibe fara-tamponโ€™ny mariboninahi-pirenena.

Nisy ihany koa ny fiantsana ireo tononkalo izay nankafiziny manokana, ny filalaovana an-tsehatra ny ampahany tao anatinโ€™ny boky, izay niangalian-dRamatoa Christiane RAMANANTSOA sy ireo mpianatry ny Akademiam-pirenenโ€™ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC).

Fa ankoatra izay dia nisy koa ny resadresaka nifanaovanโ€™ny mpanao gazety ara-kolontsaina taminy, nampahafantarany bebe kokoa ny antony sy ny fomba nanoratany ny boky, ny fomba fijeriny ny kolontsaina malagasy ankehitriny ary ny vinam-piarahamiasa aminโ€™ny Minisitera mba hampiroboroboana hatrany ny literatiora malagasy sy ny tontolonโ€™ny boky eto Madagasikara.

Nandritra ny fotoana omaly dia mbola nampirantiana teo aminโ€™ny Ivokolo Analakely koa ny mombamomba anโ€™i Michรจle Rakotoson sy ny asa soratra efa nataony, ary ireo loka teto an-toerana na teo aminโ€™ny sehatra iraisam-pirenena izay efa azony.

Tsangambatonโ€™ny literatiora malagasy i Michรจle Rakotoson, mendrika azy ny fanokanana fotoana tahaka ny omaly hankasitrahana ny kantony sy ny talentany, reharehanโ€™ny firenena malagasy rahateo koa ny fananana azy hoy Ramatoa minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

Efa andalana ny fandikana aminโ€™ny teny malagasy ny boky ยซ๐ด๐‘š๐‘๐‘Ž๐‘ก๐‘œ๐‘š๐‘Ž๐‘›๐‘”๐‘Ž, ๐‘™๐‘’ ๐‘ ๐‘–๐‘™๐‘’๐‘›๐‘๐‘’ ๐‘’๐‘ก ๐‘™๐‘Ž ๐‘‘๐‘œ๐‘ข๐‘™๐‘’๐‘ข๐‘Ÿยป mba hahafahanโ€™ny maro anโ€™isa misitraka ny famakiana azy.