๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐ 100 ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐’๐ ๐๐๐๐
Feno zato taona amin’ity taona 2023 ity ny nahaterahan’i ๐ฎ๐๐๐๐๐๐ ๐จ๐ต๐ซ๐น๐ฐ๐จ๐ด๐จ๐ต๐จ๐ต๐ป๐ฌ๐ต๐จ na i โ๐๐๐ช, Poeta sy mpanakanto ary mpamoron-kira malagasy fanta-daza.
Nosokafana tao amin’ny efitrano RADO ao aminโny Tranombokim-pirenenโi Madagasikara io maraina io ny fankalazana izany, teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ๐๐ฆ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐ ๐ฆ ๐๐ฆ ๐พ๐๐๐๐๐ก๐ ๐๐๐๐.
Nisy ny fijoroana vavolombelona mikasika anโi Rado nataon’ireo mpanakanto nifanerasera taminy, dia i Henri Ratsimbazafy sy i Fara Andriamanjato, izay nikalo ny hira noforoniny ihany koa nandravahana ny fotoana.
Tamin’ny fandraisany fitenenana no nilazan-dRamatoa Minisitra ๐๐๐๐๐ฅ๐๐๐๐ โ๐ธ๐๐๐๐โ๐ปโ๐ธโค๐ธ๐ฝ๐ fa hatao tsangam-baton’ity fankalazana ny faha zato taonan’i Rado ity ny boky ยซย ๐ฏ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ย ยป, izay mirakitra ireo tononkalo nosoratan’i Rado sady namoronan’izy tenany feony ka tonga hira.
Nanambara i Andry Andriamanantena zanany fa efa tamin’ny 1993 i Rado no naniry hamoaka izany boky izany. Efa telopolo taona araka izany no nanomana ity boky ity ary mankasitraka ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izy amin’izao tolo-tร nana lehibe amin’ny fanontana azy izao.
Nanamarika koa Ramatoa Minisitra fa mpanoratra ankafiziny indrindra i Rado noho izy tia tanindrazana, tia ny teny malagasy ary tia an’Andriamanitra, ka hita taratra any anatin’ny tononkalony ireny.
Ankoatra ny hetsika teto amin’ny efitrano RADO, dia mikarakara fampirantiana manokana momba azy eny amin’ny ๐ป๐น๐จ๐ต๐ถ ๐บ๐จ๐น๐ Ambohidahy mandritra ny volana jona koa ny Minisitera, ary azonโny besinimaro tsidihina.
Ho hita ao ankoatra ny sary pika sy ny asa sorany, ireo horonan-tsary maro misy an’i Rado fony fahavelony.
Ho hita ao ihany koa ireo talenta maro hafa nananan’ity Poeta ity tahaka ireo sary hosodoko izay nataony, ireo pitiby sy paikafo nataony, ary ankoatra ireo dia mpikabary sy mpandaha-teny ihany koa i Rado.
Mbola hisy hetsika maro hanohizana izao jobily fankalazana faha 100 taona izao. Ary halefa tsy ho ela ao amin’ny Fahitalavi-pirenena TVM ny lanonana natao androany.