VOAFIDY INDRAY HO FILOHAN’NY FILANKEVI-PITANTANAN’NY πŽπŒπƒπ€ ANDRIAMATOA 𝑅𝐴𝑍𝐴𝐹𝐼𝐴𝑅𝐼𝑆𝑂𝑁 𝐹𝑅𝐴𝑁𝐢𝐼𝑆

Tontosa omaly Talata 06 jona 2023 tolakandro ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Filankevi-pitantanan’ny 𝑢𝑴𝑫𝑨 𝒏𝒂 π’π’š π‘Άπ’‡π’Šπ’”π’Šπ’Ž-π’‘π’Šπ’“π’†π’π’†π’π’‚ 𝒉𝒐 𝒂𝒏’π’π’š 𝒛𝒐𝒏’π’π’š π’Žπ’‘π’‚π’Žπ’π’“π’π’π’‚, amin’izao taom-pikatrohana vaovao izao.

Lany ho filohan’izany Filankevi-pitantanana izany indray Andriamatoa 𝑅𝐴𝑍𝐴𝐹𝐼𝐴𝑅𝐼𝑆𝑂𝑁 πΉπ‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘π‘–π‘  tamin’ny isam-bato 11 tamin’ny 14. Marihina fa mpikambana miisa 14 amin’ny 15 no tonga nanatrika, iray kosa no nanome tararasy fanomezan-dalana na « procurationΒ Β».
Nolaniana ihany koa avy teo ireo Β«Β π’ƒπ’–π’…π’ˆπ’†π’• 𝒅𝒆 π’‘π’“π’π’ˆπ’“π’‚π’Žπ’Žπ’† 2023Β Β» sy ny Β«Β π’„π’π’Žπ’‘π’•π’† π’‡π’Šπ’π’‚π’π’„π’Šπ’†π’“ 2022Β Β» ary ny Β«Β π’„π’π’Žπ’‘π’•π’† π’‚π’…π’Žπ’Šπ’π’Šπ’”π’•π’“π’‚π’•π’Šπ’‡ 2022Β Β», taorian’ny tatitra nataon’ny mpanatanteraka notarihin’ny Talen’ny OMDA 𝑅𝐴𝑅𝐼𝑉𝑂𝐽𝐴𝑂𝑁𝐴 π½π‘œπ‘’π‘™π‘–π‘›π‘–π‘Ÿπ‘–π‘›π‘Ž π‘π‘œπ‘šπ‘’π‘›π‘Žπ‘ π‘œπ‘Ž.
Nandritry ny « SamihafaΒ Β» kosa no nanapahana fa hisy ny fivoriana manaraka tsy manara-potoana izay ihaonana amin’ny orinasa 𝑴𝑨𝑡𝑢𝑢𝑽𝑨 mba hahafahana mandroso amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka ireo fanavaozana tiana ho entina amin’ny fanavaozana ny OMDA.
Voafidy indray hitarika ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA izany Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Kolontsaina Francis RAZAFIARISON na i Francis Turbo rehefa avy nisahana izany andraikitra izany ny taona 2020 hatramin’ny 2022.