FAMPIDIRINA NY ยซ ๐™ƒ๐™„๐™๐˜ผ ๐™‚๐˜ผ๐™Ž๐™” ยป AO ANATINโ€™NY ๐ป๐ด๐‘…๐ธ๐‘€-๐ต๐ด๐พ๐‘‚๐พ๐ด ๐‘‡๐‘†๐‘Œ ๐ด๐‘๐‘‚ ๐‘‡๐‘†๐ด๐‘ƒ๐ด๐ผ๐‘-๐‘‡๐ด๐‘๐ด๐‘๐ด HO ANโ€™NY ZANAKโ€™OLOMBELONA (PATRIMOINE IMMATร‰RIEL DE Lโ€™HUMANITร‰) UNESCO:

๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘จ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘จ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ตโ€™๐‘ต๐’€ ๐‘ป๐‘ถ๐‘ด๐‘ฉ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘ฐ ๐‘ด๐‘จ๐‘ซ๐‘จ๐‘ฎ๐‘จ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ๐‘น๐‘จ

Ny 12 ka hatraminโ€™ny 17 jona 2023 ho avy izao no handalo fandinihana sy tombana faharoa ny antontan-taratasy fangatahanโ€™i Madagasikara hampidirina ny ๐‘ฏ๐‘ฐ๐‘น๐‘จ ๐‘ฎ๐‘จ๐‘บ๐’€ ho harembakoka eo anivonโ€™ny UNESCO, ho fanomanana izany dia nihaona taminโ€™ny Sekretera misahana ny fifanarahana 2003 (Convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatรฉriel de l’humanitรฉ) Andriamatoa Tim CURTIS Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny delegasiona niaraka taminy tany aminโ€™ny UNESCO Paris.

Aorianโ€™io, raha ekenโ€™ny manam-pahaizanโ€™ny UNESCO ny hahatafita ny antontan-taratasy aminโ€™io dingana faharoa io, dia mbola hisy indray ny tombana fahatelo ny 17 ka hatraminy 22 septambra 2023. Aminโ€™io no hanapa-kevitra ireo manam-pahaizana ka raha ekeny ny fangatahanโ€™i Madagasikara dia haroso holanianโ€™ny Komity iraisanโ€™ny governemanta (comitรฉ inter-gouvernemental) avy aminโ€™ireo firenena mpikambana ao aminโ€™ny UNESCO aminโ€™ny 4 ka hatraminโ€™ny 9 desambra 2023.
Any izany vao ho fantatra ny dingana fanapahan-kevitra farany.
Raha tsiahivina dia ny 08 avrily 2022 no napetrakโ€™i Ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo anivonโ€™ny Sekreteranโ€™ny fifanarahana 2003 ny antontan-taratasy fangatahanโ€™i Madagasikara momba ny HIRA GASY, efa nandalo tombana voalohany ny volana Febroary 2023 lasa teo izay nahitana fahombiazana ka izao hiakarana aminโ€™ny dingana manaraka izao.