NATOLOTRA ANDROANY NY BOKY ยซย ๐๐๐๐ผ๐๐ผ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ผ๐’๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐ผ๐๐ผ๐๐ผ๐๐ย ยป
ยซย ๐๐๐๐ฆ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฆ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ฆ ๐๐๐ฃ๐๐๐ก๐๐ย ยป, no lohahevitra nofinidin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankalazana ny ๐ฐ๐๐๐ ๐๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ taona 2023. Androany Alakamisy 15 Jona no Ivon’ny fankalazana miavaka amin’ny alร lan’ny famoahana ny boky ยซย ๐๐ค๐๐๐ง๐๐ฃ๐ค ๐ฃ๐๐ฅ๐ค๐๐ง๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎย ยป.
ยซย ๐น๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฆ ๐๐๐ก๐๐๐ฃ๐๐-๐ก๐๐๐๐๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐๐ฆ ๐๐๐๐๐๐ร ๐๐ ๐ ๐ฆ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ฆ ๐๐๐ก๐๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฆ ๐ก๐๐๐ฆ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฆย ยป hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, ary tokony hirehareha isika manana teny miavaka sy manankarena toy ny teny malagasy.
Ny tanjon’ny MSK amin’ny maha angom-pikarohana an’ity boky ity, dia ny fampivondronana anaty tahirin-kevitra tokana, ny voka-pikarohan’ireo mpikaroka sy avara-pianarana malagasy sy vahiny mikasika ny loharano nipoiran’ny teny malagasy.
Mari-drefy ahatsapana ny fandrosoan’ny olom-pirenena ny fitiavana mamaky boky, satria ny boky no vavolombelona sy rakitry ny tantara.
Sady mpitahiry ny haren-tsaina sy soatoavina, ka tiana ho fanilo hiampita amin’ny tanora fa indrindra amin’ny mpianatra izany soatoavina fitiavana vakiboky izany.
Ity boky natolotra androany ity no fahaenina novokarin’ny Minisitera tato anatin’ny 04 taona. Natao ho an’ny rehetra ity boky ka nezahina ho tsotra ny teny nampiasaina ao anatiny. Notolorana avy hatrany ny sekoly sy tranom-boky vitsivitsy eto andrenivohtra.