TAGNAMARO BEALANANA.

LALANA MIREFY 8km NO VITA FANAJARIANA.

Vatan-dehilahy manodidina 200 isa no niara-nifarimbona nanao ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tamin’ity andron’ny Asabotsy 17 Jona 2023 ity. Ny fanamboaran-dàlana tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambodiampana Distrikan’i Bealanana no natao teto, ka làlana mirefy 8km indray no vita fanajariana, izay mampitohy ny renivohitry ny kaominina Ambodiampana sy Fokontany Bemilolo. Hetsika izay nifarimbonan’ny Delegasiona Serasera sy kolontsaina ao Bealanana sy ny Ben’ny tanàna kaominina ambanivohitra Ambodiampana niaraka tamin’ireo sefo fokontany.

Natao izao Tagnamaro izao, mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo tantsaha mamoaka ny vokatr’izy ireo. Vary sy tongolo no vokatra tena misongadina aty an-toerana.