TAGNAMARO BORIZINY (PORT-BERGE).

NODIOVINA NY MANODIDINA NY BIRAON’NY DELEGASIONA MINISTERAN’NY MPONINA.

Amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fetim-pirenena 26 jona izao dia nisafidy ny hanadio ny manodidina ny biraon’ny Delegasiona mponina ny olom-pirenena tao an-toerana ny amin’ny Tagnamaro ny volana jona ity. Ny zava-misy mantsy dia anisany birao be olona miditra isanandro ity biraon’ny mponina ity, ka izay indrindra no antony nisafidianana ny asa fanadiovana. Notapahina avokoa ireo ratsan-kazo maina, ahiana hitera-doza hilatsaka avy eny ambony.