28 TAONA NO NIANDRASANA NY FISOKAFAN’NY ROVAN’I MADAGASIKARA INDRAY, TAORIAN’NY NAHAMAIZANY NY 6 NOVAMBRA 1995
Nomarihana amin’ny fomba ofisialy omaly 𝑎𝑙𝑎𝒉𝑎𝑑𝑦 18 𝑗𝑜𝑛𝑎 2023 ny fisokafany, tamin’ny alalan’ny fitsidihana ireo Mozea mandrafitra ny Rova dia ny :
– 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑴𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒂𝒅𝒂𝒏𝒂 ahitana ny mikasika ireo faritra 23 amin’ny maha-Rovan’i Madagasikara azy, ahitana koa ny tantaran’ireo Mpanjaka nifandimby teto Madagasikara, na fampirantiana na horonantsary na ny 3D (hologramme) ihany koa.
– 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑩𝒆𝒔𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂
– 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑴𝒂𝒉𝒊𝒕𝒔𝒊𝒆𝒍𝒂𝒇𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂
– 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝑨𝒏𝒂𝒕𝒊𝒓𝒐𝒗𝒂
– 𝑲𝒊𝒂𝒏𝒋𝒂 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂
– 𝑲𝒊𝒂𝒏𝒋𝒂 𝑴𝒂𝒔𝒐𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐
Natao manaraka ny fenitra takian’ny vaninandro ankehitriny ny Mozea, tahaka ny fahita maneran-tany, misy fiarovana amin’ny haintrano, misy fandehanan’ireo olona manana fahasembanana, misy fihainoana ny fanazavana amin’ny teny malagasy, frantsay na anglisy (audioguide)…
Omaly ihany koa no notokanana sy nandraisana fampisehoana an-tsehatra voalohany ny 𝐊𝐈𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐌𝐀𝐒𝐎𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎, miompana amin’ny tantaran’i Madagasikara faha-Mpanjaka tamin’ny taonjato faha-19.
Nanomboka ny taona 2019 no nanapahan’ny Filoha Andry RAJOELINA hevitra hamita tanteraka ny asa fanamboarana rehetra ao anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ankehitriny dia mamarana ny Lapa Tranovola sy Manampisoa sisa dia ho vita tanteraka daholo izany.
Mariky ny 𝙃𝙖𝙢𝙗𝙤𝙢𝙥𝙤𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 sy 𝙛𝙞𝙩𝙞𝙖𝙫𝙖𝙣-𝙩𝙖𝙣𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 no nahavitana tanteraka izao asa izao, izay natao fanamby mihitsy, hampitàna amin’ny taranaka faramandimby aty aoriana izany soatoavina maha-malagasy izany.
Famerenana ny hasina sy ny maha-Izy ara-kolontsaina no atao, ary fampahafantarana ny tantaran’ny firenena mba hamelomana hatrany izany fitiavan-tanindrazana izany ao am-pon’ny Malagasy tsirairay avy.