AKO ANTSARIN’NY FITOKANANA NY ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ NY FAHA 23 JONA 2023
Ako antsarin’ny fitokanana ny ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ny faha 18 Jona 2023, sy ny seho an-tsehatra voalohany natao tao namelomana ny tantaranโny Mpanjaka tao Anatirova taminโny taonjato faha 19.
Ny mpianatra ao aminโny ๐๐๐ ๐๐ฏ๐๐ซ๐๐๐ซ๐จ๐ฏ๐ no nofaninโny mpiakambana ao aminโny tarika ๐๐๐ โ๐ sy ny mpampianatry ny ANAC na ๐๐๐๐รฉ๐ฆ๐ข๐ ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง๐๐ฅ๐ ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐ญ๐ฌ ๐๐ญ ๐๐ ๐ฅ๐ ๐๐ฎ๐ฅ๐ญ๐ฎ๐ซ๐. Fanamby lehibe ho anโny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny namolavolana iny seho an-tsehatra voalohany iny satria mbola tsy nisy niaka-tsehatra ireo mpianatra 11 hatraminโny 16 taona ireo na dia iray aza. Voaporofo arakโizany fa manana talenta voajanahary ny ankizy malagasy.
Nofanina ho mpanakanto feno izy ireo taminโny dihy, lalao an-tsehatra, ny fikarakarana ny ankanjontsehatra na ny costumes, ary indrindra indrindra ny fanarahana ny lamina aminโny maha-mpanakanto ary vitanโizy ireo avokoa izany.
Tao anatinโizany ihany koa dia nisy ny fampiofanana ao ambadiky ny sehatra toy ny:
– Fampandrindrana ny sehatra na scรฉnographie,
– Ny fananganana akanjontsehatra na ny crรฉation de costumes,
– Ny fampiakanjoana ankizy 150 izay ilร na fahaiza-manao manokana, – Ny fikarakarana ireo mpandray anjara voalohany na ny rรดles principaux,
– Ny fanamboarana ny endri-tsehatra na ny dรฉcor,
– Ny fitaovana madinidinika ampiasana hamelomana ny tantara na accessoires ary ny fandaminana izany rehetra izany mba ho azo ampiasaina avy hatrany.
Ny fandraisam-peo sy ny fandrindrana ny hira fanao teny Anatirova fahiny ary ny rindran-tsehatra rehetra dia nifandrimbonanโny mpiara-miasa eo anivonโny ANAC sy ny Minisitera avokoa.
160 ny isanโireo nahazo taratasy fanamarinana fandraisana anjara aminโny fahaiza-manao manokana voarainy. Mbola hitohy ny fampiofanana ireto tanora mana-talenta ireto, misy aminโizy ireo efa voafantina ho isanโny troupe folklorique ๐๐๐ โ๐.