FANAZAVANA NENTIN-DRAMATOA MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA TEO ANOLOAN’NY ANTENIMIERAN-DOHOLONA ANDROANY TALATA 20 JONA 2023

« 𝑵𝒚 𝑹𝒐𝒗𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒗𝒂𝒅𝒊𝒌𝒂 𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒆𝒍𝒂 𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒏𝒊𝒋𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒐𝒏𝒆𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒎𝒐𝒓𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒛𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒋𝒂𝒕𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂-17. 𝑨𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂-𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂 𝒂𝒛𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒉𝒊𝒕𝒆𝒉𝒊𝒓𝒊𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒊𝒛𝒚.

𝑵𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂-𝑴𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒌𝒐𝒓𝒚, 𝒇𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒈𝒐𝒍𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒏𝒚 𝒎𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑲𝒂𝒐𝒏𝒕𝒊𝒏𝒂𝒏𝒕𝒂 « 𝑮𝒐𝒏𝒅𝒘𝒂𝒏𝒂 » 𝒊𝒛𝒚.

𝑻𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒛𝒚 𝒎𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒊 𝑮𝒐𝒏𝒅𝒘𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒏𝒊𝒔𝒚 « 𝒅𝒊𝒏𝒐𝒔𝒂𝒖𝒓𝒆𝒔 » 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒕𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂, 𝒅𝒊𝒂 𝒏𝒚 « 𝑴𝒂𝒋𝒖𝒏𝒈𝒂𝒔𝒂𝒖𝒓𝒖𝒔 𝒄𝒓𝒆𝒏𝒂𝒕𝒊𝒔𝒔𝒊𝒎𝒖𝒔 ».

𝑰𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒐𝒆 𝒏𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒌𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒊𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒃𝒊𝒃𝒚 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒕𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂, 𝒏𝒚 𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒌𝒂𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒂𝒎𝒊𝒉𝒂𝒇𝒂 (𝒇𝒐𝒔𝒔𝒊𝒍𝒆𝒔) 𝒏𝒐 𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒌𝒂𝒓𝒐𝒌𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒕𝒔𝒊𝒂𝒏𝒔𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒋𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒕𝒆𝒐 𝒂𝒏𝒆𝒍𝒂𝒏𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 1993 𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 1996 𝒌𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒇𝒆𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒐 𝒆𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒌𝒆𝒉𝒊𝒕𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒊𝒐.

𝑹𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒗𝒐𝒂𝒓𝒂𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒊𝒐 𝒅𝒊𝒂 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒕𝒚 𝑨𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐, 𝒏𝒂𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝑰𝒂𝒗𝒐𝒍𝒐𝒉𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒊𝒛𝒚 𝒏𝒐 𝒏𝒂𝒕𝒐𝒍𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒆𝒓𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑲𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚, 𝒏𝒂𝒎𝒑𝒊𝒅𝒊𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒓𝒆𝒎-𝒃𝒂𝒌𝒐𝒌𝒂 𝑨𝒏𝒂𝒕𝒊𝒓𝒐𝒗𝒂 𝒏𝒂 « 𝒄𝒐𝒍𝒍𝒆𝒄𝒕𝒊𝒐𝒏 𝑹𝒐𝒗𝒂 » 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒎𝒃𝒊𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒔𝒊𝒔𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒕𝒆𝒉𝒊𝒓𝒊𝒛𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑨𝒏𝒅𝒂𝒇𝒊𝒂𝒗𝒂𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂.

𝑺𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑨𝒏𝒅𝒂𝒇𝒊𝒂𝒗𝒂𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒊𝒐 𝒔𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒎𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝑹𝒐𝒗𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚, 𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒊𝒐 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒐 𝒔𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒋𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒔𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒐𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂 𝑨𝒌𝒊𝒃𝒂.

𝑭𝒂 𝒎𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒌𝒐𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒗𝒊𝒏𝒂𝒗𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚, 𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒌𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒕𝒚 𝑨𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚, 𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒛𝒂𝒐 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒓𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑴𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒂𝒅𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂- 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 « 𝒄𝒐𝒍𝒍𝒆𝒄𝒕𝒊𝒐𝒏 𝑹𝒐𝒗𝒂 » 𝒂𝒛𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒛𝒂𝒚.

𝑰𝒐 𝒓𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑴𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒂𝒅𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒐 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒂𝒓𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒐𝒂 𝒇𝒂 𝒕𝒆𝒏𝒂 « 𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒂𝒕𝒐𝒓𝒂𝒍𝒚 » 𝒏𝒂 « 𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂 𝒑𝒂𝒍é𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐𝒈𝒊𝒒𝒖𝒆 » 𝒎𝒊𝒉𝒊𝒕𝒔𝒚 𝒌𝒐𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒋𝒂𝒕𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂-20 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒂𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐𝒍𝒂𝒎-𝒃𝒊𝒃𝒚 𝒕𝒐𝒂 𝒏𝒚 « 𝒅𝒊𝒏𝒐𝒔𝒂𝒖𝒓𝒆𝒔 𝒂𝒆𝒑𝒚𝒐𝒓𝒏𝒊𝒔 𝒎𝒂𝒙𝒊𝒎𝒖𝒔 𝒔𝒚 𝒂𝒆𝒑𝒚𝒐𝒓𝒏𝒊𝒔 𝒉𝒊𝒅𝒆𝒍𝒃𝒓𝒂𝒏𝒅𝒊», « 𝒐𝒊𝒔𝒆𝒂𝒖 é𝒍é𝒑𝒉𝒂𝒏𝒕 », « 𝒂𝒖𝒕𝒓𝒊𝒄𝒉𝒆 », « 𝒍é𝒎𝒖𝒓𝒊𝒆𝒏𝒔 𝒅𝒆 𝒈𝒓𝒂𝒏𝒅𝒆 𝒕𝒂𝒊𝒍𝒍𝒆 » 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒔𝒊𝒔𝒂.

𝑰𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒐𝒆 𝒇𝒂𝒎𝒆𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒐 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐, 𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒐𝒆 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐𝒕𝒂𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒌𝒐𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒔𝒂𝒇𝒊𝒅𝒚 𝒏𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒅𝒊𝒏𝒐𝒛𝒐𝒓𝒐 « 𝒎𝒂𝒋𝒖𝒏𝒈𝒂𝒔𝒂𝒖𝒓𝒖𝒔 𝒄𝒓𝒆𝒏𝒂𝒕𝒊𝒔𝒔𝒊𝒎𝒖𝒔 » 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚, 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒉𝒐𝒓𝒐𝒏𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒓𝒚 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒐𝒛𝒆𝒂 𝑳𝒂𝒑𝒂 𝑴𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒂𝒅𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒌𝒆𝒉𝒊𝒕𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒓𝒂𝒌𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒈𝒐𝒍𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒂𝒐𝒏𝒕𝒊𝒏𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏’𝒊 𝑮𝒐𝒏𝒅𝒘𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 ».

Izany no fanazavana nentin-dRamatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanoloana ny Antenimieran-doholona androany, izay nohararotiny nentina, niainga tamin’ny fanontanian’ny loholona iray mikasika ny Rovan’i Madagasikara.

Notsindriany ihany koa fa amin’ny maha-Mozea azy dia misy fitenim-pirenena vahiny toy ny frantsay sy anglisy ao, ho an’ny mpizahan-tany vahiny izay mitsidika, tahaka izay fahita amin’ny Mozea rehetra maneran-tany.

Fa ankoatra ny ao amin’ny rihana farany ambany izay mirakitra ny tantara niandohan’i Madagasikara, sy ny momba ireo faritra 23 amin’ny maha-Rovan’i Madagasikara azy dia ny rihana voalohany sy faharoa kosa dia ahitana tanteraka ireo tantaran’ny Mpanjaka nifandimby teto Madagasikara tamin’ny taonjato faha-19.

Miaraka amin’ny fampahafantarana amin’ny fomba maoderina tahaka ny « hologramme » sy ny « projection panoramique ».

Marihana fa efa misy fitaovana harifomba ahafahana mihaino ny fanazavana amin’ny teny malagasy, frantsay ary anglisy ihany koa dia ny « audio-guide » tahaka ny fahita ihany amin’ny Mozea rehetra maneran-tany.

Ireo teboka ireo no anisany tena nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY nanoloana ny loholon’i Madagasikara.

Fa nanampy an’ireo dia nanazava mikasika ny fanamboarana ny tranoben’ny Akademiam-pirenen’ny Zavakanto sy Kolontsaina etsy Ambohitsirohitra koa izy izay efa miverina mitohy ny asa ankehitriny raha nisy olana teo aloha.

Eo koa ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina any Morondava izay nisy olana ny tany nanorenana ka nirodana, eo andalam-pitadiavana tany hafa ny Minisitera ankehitriny hamerenana ny fananganana, efa nanaiky hamerina ny asa ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana raha vao mahita tany hafa.