ROVAN’I MADAGASIKARA : SOKAJIN’OLONA MARO NO TONGA MITSIDIKA AMIN’ITY ANDRO VOALOHANY ITY

Nisokatra io maraina io tokoa ny Rovan’i Madagasikara, maro be ireo olona nitsidika na dia andro fiasana aza, ary sokajin’olona isan-karazany, fianakaviana iray manontolo, mpianatra indray mirona, tanora na vondrona tanora, olon-dehibe, zazakely, fikambanana sy ny sisa.

Amin’izao andro voalohany izao dia tonga nijery ny fandaminana, ny fandraisana ny mpitsidika ary ny fizotran’ny fitsidihana i Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

Araka ny nambaran’ireo mpitsidika dia efa ela no niandrasana izay 28 taona izay, afa-po tanteraka izy ireo rehefa nanontaniana, nahafinaritra sady nahaliana ary nahafahana nahafantatra zavatra maro momba ny tantaran’i Madagasikara ny fitsidihana.

Nahavariana ny maro ny fampiasana teknolojia tahaka ny hologramme, ny projection panoramique, sns…

ANDRO SY ORA FISOKAFANA :
– Isan’andro manomboka ny Alarobia hatramin’ny Alatsinainy. Tsy misokatra kosa ny Talata ho fanadiovana sy fikojakojana.
(Du mercredi au lundi, fermeture le mardi)