TAGNAMARO MAROANTSETRA

Ho fiatrehana ny fetim-pirenena dia niompana tamin’ny fanadiovana ny arabe sy ny tanana ny TAGNAMARO tamin’ity volana jona ity taty amin’ny distrikan’i Maroantsetra.

Fanadiovana sy fanesorana ireo fasika izay nandrakotra ny goudron eto Maroantsetra antapon-tanana no asa niarahana tamin’ny fokonolona izay nitarihin’ny Delegasionan’ny serasera sy ny Kolontsaina sy ireo mpitondra taty antoerana.