DISTRIKAN’ANTANIFOTSY ANTSIRABE
nisitraka fahitalavitra sy onjam-peo
Taona maro aty aoriana, sambany vao mba hanana ny fahitalavitra sy onjam-peo RNM-TVM ny Distrikan’Antanifotsy.
Hahaleo-tena tanteraka araka izany i Antanifotsy amin’ny fanomezam-baovao ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao, ny famokarana fandaharana avy any an-toerana (production locale) fa tsy hiankin-doha intsony amin’ny rantsan’ny TVM-RNM any Antsirabe.
Fitaovana fototra maro mifandraika amin’ny fanapariahana sary sy feo toy ny « Mélangeur vidéo, moniteur, table de mixage, caméra, ordinateur complet » ankoatra ny « émetteur » izay efa nananany nanomboka ny volana Janoary 2023 no natolotra ny mpiara-miasa any an-toerana androany ahafahana manatanteraka avy hatrany ny asa.
Afaka mandray ny RNM amin’ny mari-drefy 99.2 ihany koa araka izany ny Distrikan’Antanifotsy.
Ezaka manokana notanterahin’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny nahafahana nampisitrika ity distrika ity ny foto-drafitrasa tahaka izao.
Ankoatra ny fanolorana fitaovana dia nasiam-panavaozana ihany koa ny ivo-toerana misy ny RNM-TVM.
Notanterahina tamin’ny alalan’ny Tagnamaro manokana, nandraisan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisitera foibe, ireo sampan-draharaham-panjakana ifotony, ny vahoakan’Antanifotsy, ireo mpitandro filaminana, mpilatsaka an-tsitrapo ny asa natao.
Nohatsaraina ny lokon’ny trano, napetaka ny valon-drihana, namboarina ny tafo sy ny fitaratra, natsangana ny tamboho iray manontolo hamefy ny toerana misy ny trano.