CIRCUIT « PIRATE ISLAND »: HAREM-BAKOKA HANOME SEHATRA NY FIZAHAN-TANY AO SAINTE MARIE
Nanomboka ny taona 2019 no niroso tamin’ny fanajariana ireo harem-bakom-pirenena (Patrimoines nationaux) ao Sainte-Marie, dia ny « cimetière des pirates », ny « Ile aux forbans », ary ny « Ilot Madame » ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Ireo toerana ireo, miampy ny Fiangonana katolika Ambodifotatra Sainte-Marie, dia nampidirina ao anatin’ny lalam-pitsidihana na « circuit touristique » antsoina hoe « pirate Island » atolotra ireo mpizahan-tany tonga ao Sainte-Marie.
Notokanana sy nosantarin’Atoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy omaly sabotsy 15 jolay 2023, niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy sy ireo tompon’andraikim-panjakana maro izany lalam-pitsidihana izany.
Isan’ny asa natao tamin’ireo harembakom-pirenena ireto ohatra ny ny fametrahana toerana ahafahana mijery ambony (vue à 360 degrés) mahatazana an’i Sainte-Marie iray manontolo, eny amin’ny Ile aux Forbans, ny fanajariana ireo lalana sy fametrahana seza fipetrapetrahana ho an’ireo mpitsidika, fametrahana takelaka miisa 28 manazava ireo toerana manan-tantara rehetra ary ny ny fanamboarana toeram-piondranana (embarcadères) miisa efatra.
Tsiahivina fa mizara roa ny lalam-pitsidihana ara-pizahantany eto Sainte Marie izay mandalo amin’ireo harembakom-pirenena ireo, dia ny « Circuit Terra » sy ny « Circuit Aqua »:
– Ny “Circuit Terra” izay miainga eo amin’ny Office du Tourisme Sainte- Marie (OTSM), mandalo ny « Pavé du Vieux Port », « Ilot Madame », « Terrain Ikoa », « Digue Mangrove », « Cimetière des Pirates », « Ile aux Forbans » ary mifarana eo amin’ny Fiangonana katolika Ambodifotatra.
– Ny “Circuit Aqua” kosa miainga eo amin’ny Office du Tourisme Sainte Marie (OTSM), mandalo Fiangonana katolika Ambodifotatra, Ile aux Forbans, Cimetière des Pirates, ary mifarana eny amin’ny Ilot Madame.
Ny « Association Le Circuit des Forbans » (LCDF) izay tarihin’ny solontenan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ary ahitana solotena avy amin’ny Ministeran’ny Fizahan-tany, ny Ministeran’ny Fitsarana, ny Ofisin’ny fizahantany, ny Kaominina Sainte Marie, ny fikambanan’ny mpisera dia, ny fiangonana katolika, ary ny tetikasa « PIC2 et Corridors » no hitantana ity « circuit pirate island » ity.