TAGNAMARO ANTALAHA
FANADIOVANA NY SISIN-DRANOMASINA
Anisan’ny toerana mbetsaka mpitsangantsangana ny sisin-dranomasina ka tsara madio lalan-dava.
Noho izany indrindra no nisafidianana ny fanadiovana ny sisin-dranomasina nandritra ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tao Antalaha ny Asabotsy faha 15 Jolay 2023 lasa teo.
Niara-nihentana nanatanteraka izany ny mponina, ny sampan-draharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ny fikambanana, ny croix-rouge ary ireo tanora, izay notarihin’ny Delegasionin’ny Serasera sy ny Kolontsaina Antalaha.