TAGNAMARO ANTSOHIHY (Faritra Sofia)

FANAJARIANA IREO LALANA MIAKATRA ENY AMIN’NY FOKONTANY « HAUTE VILLE « .

Tsy takona hafenina, ary hita maso ny fahasimbana misy amin’ireo làlana miakatra eny amin’ny fokontany Haute Ville.
Feno lavaka ny làlana ary tena mampikolay ny mpampiasa fiara: na ny làlana miakatra avy aty amin’ny paompy Rafia, na miakatra avy aty amin’ny kianjan’ny 29 Martsa.
Amam-bolana maro no mampitaraina ny mpampiasa, kanefa anisany toerana betsaka olona mifamezivezy tokoa ny eny amin’ny fokontany Haute-Ville, noho ireo biraom-panjakana marobe, ny banky rehetra eto Antsohihy, ny Bazaribe sy ireo tranom-barotra marobe.

Tamin’ity andron’ny Asabotsy 15 Jolay ity dia raikitra tokoa Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, izay niarahana feno tamin’ny mpamily « Taxi-ville » eto Antsohihy.

Nilaza teto ny filohan’ny sendika « Taxi-ville », Atoa ZIZI fa « mahavaha olana tokoa ny Tagnamaro, ary resy lahatra izahay mpamily taxi-ville fa afaka manova zavatra sy mitondra fampandrosoana ny Tagnamaro ».

Nitarika ny fotoana teto ny Talem-pariry ny Serasera sy ny Kolontsaina Sofia, RAVO Emile. Ity farany izay niantoka ny fitaterana ireo ranon-tany sy poti-bato nararaka tamin’ireo lavaka.