TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA DISTRIKAN’I TOLIARA I, Mahavatsy II.
Notanterahina ny Sabotsy faha 15 Jolay 2023 ny Tagnamaro tato Toliara renivohitra, Atsimo Andrefana.
Nosafidina manokana ny bazary fia Mahavatsy faharoa tamin’ity andiany Tagnamaro ity satria ho fifampitsinjovana amin’ny mpiara-belona ho lavitry ny loto, ho antoky ny fahasalaman’ireo mpivarotra sy ireo mpanjafa ihany koa ary ny tena zava-dehibe tao anatin’izay koa dia ny hetsika fanentanana ho fanambeazana ny olom-pirenena mba ho zatra ny hitandro mandrakariva ny fahadiovana.
Tamin’ity Tagnamaro ity no nahafahana nanala ireo rano maloto mihandrona tao anatin’ity bazary ity ka samy nandray anjara tamin’izany mponina tao Fokontany Mahavatse faharoa izay notarihin’ny Sefo Fokontany, tao koa ireo izay nasaina toy ny Zandary, ireo Miaramila sy ireo Fikambanana, izay notarihin’ny DRCC Atsimo-Andrefana.
Isaorana manokana ireo mpiara miasa izay tsy mahafoy fa teo foana tamin’ny fanatontosana ny Tagnamaro nisy hatrizay toa ry zareo ao amin’ny Kaominina Ambonivohitry Toliara izay nanome an’ireo Mpamonjy voina nanome rano nanadio ilay toerana sy ny ONG WHH ihany koa nanampy tamin’ny fampitaovana.