TAGNAMARO VOHEMAR

FANADIOVANA NY SISIN-DALANA

Fanadiovana ny sisin-dalana niainga avy teo amin’ny Tsangambato ny 29 Martsa 1947 ka hatreo amin’ny Radio RTVI Andranomasibe I no natao nandritra ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tao Vohemar ny Asabotsy 15 Jolay 2023 lasa teo.

Niaraka nanatanteraka izany ireo sampan-draharaha maro samihafa izay notarihin’ny Delegasionin’ny Serasera sy ny Kolontsaina Vohemar.