TAGNAMARO MAEVATANANA

Fanadiovana ny fandokoana solaitraibe tao amin’ny Lycée RAZAFIMAHEFA Roger no nanamarihana ny hetsika Tagnamaro – Andron’ny Olom-pirenena volana Jolay teto Maevatanàna ho fisantarana ny fanomanana sahady ny taom-pianarana 2023-2024.

Miisa iraikambinifolo ireo efitrano fianarana misy ao amin’ity lisea ity ka navaozina avokoa ny lokon’ireo solaitraibe ao aminy.

Niara-nifarimbona tamin’ity Tagnamaro ity ireo Mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra sy Sampandraharaha, ny Mpanabe ao amin’ny LRR ary ny FRAM sy Fikambanana hafa.