« SOATOAVINA »

Fandaharana vokarin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina isam-bolana, hanasongadinana ny maha malagasy.

Ny lohahevitra amin’ity volana ity dia milohateny hoe « Ny hasin’ny voahary »

Harahinao:

– Ao amin’ny Radiom-pirenena RNM ny Alarobia 26 jolay 2023 amin’ny 8 Ora sy sasany alina,

– Ao amin’ny Fahitalavi-pirenena TVM ny Alahady 30 jolay 2023 amin’ny 7ora sy 45 minitra alina,

– Ary ho hitanao ao amin’ny tranonkalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.