LALAON’NY FRANKOFONIA 2023

LALAON’NY FRANKOFONIA 2023: nitso-drano ireo delegasiona handray anjara amin’ny fifaninanana ara-Kolontsaina ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Mpanakanto 20 mianadahy, miangaly gadona samihafa toy ny dihy Hip Hop ahitana mpandray anjara 7, sary hosodoko (peinture), Sary sikotra (sculpture), pika sary (photographe), hira (chant) izay misy solotena 4, literatiora (littérature) ary tanisa baolina (jonglerie) misy solotena 5: ireo no mandrafitra ny delegasiona malagasy handray anjara amin’ireo fifaninanana ara-kolontsaina mandritra ny lalaon’ny Frankofonia andiany fahasivy izay hatao any Kinshasa, Repoblika Demokratikan’i Congo ny 28 Jolay hatramin’ny 6 Aogositra izao.

Ankoatra azy 20 mianadahy ireo dia giara-dalana amin’izy ireo ihany ny solotena miisa 4 avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny tohana ara-teknika.

Androany, ho fanohanana azy ireo dia nitso-drano ireto delegasiona hiaro ny voninahi-pirenena Malagasy any Kinshasa ireto Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

Nisy ny fanolorany ho an’ireo delegasiona ireo kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiatrehana ny lalao, toy ny « survêtement », kitapo sy kiraro, « tenue d’apparat » entin’izy ireo milahatra amin’ny lanonam-panokafana rahampitso.

Nanolotra vatsin-dalana manokana ho azy 20 mianadahy ihany koa Ramatoa Minisitra mandritra ny fivahinianan’izy ireo any an-toerana.

Tsara ny manamarika fa ny fitondram-panjakana avokoa no nandray an-tanana ny fandaniana rehetra ho an’ireo delegasiona malagasy 80 mahery na avy amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena izany na amin’ny kolontsaina; toy ny saran-dalana mandroso sy miverina, ny fandoavana ny latsakemboka ahafahan’ny delegasiona mipetraka sy misitraka ny fikarakarana any amin’ny Village des Jeux, ny fiantohana (assurance voyage) sy ny vakisin’izy ireo.

Handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny lanonana fanokafana ofisialy ity andiany faha-9 amin’ny lalaon’ny Frankofonia ity rahampitso. Misy kosa ny fifanarahana iarahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tokony ahafahana mandefa amin’ny fahitalavim-pirenena ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy mandritra izany, na amin’ny fanatanjahan-tena izany na amin’ny kolontsaina.

Anio alina no hanainga hihazo an’i Kinshasa ireo delegasiona malagasy ireo.
Alefa Madagasikara 🇲🇬