KIANJAN’NY HIRAGASY, NOTOKANAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA: ELA NIANDRASANA AZY NY MPANAO HIRAGASY

Tomefy vahoaka androany tetsy amin’ny Làlana Ralambo Émile ambadiky ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara. Seho hiragasy goavana nifandonan’ny Tarika RAPAULSON Fenoarivo Gara sy RATOVOELSON Etienne Ambatonapoaka no nanamarihana ny fitokanana ny « KIANJAN’NY HIRAGASY ». Ka Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no tonga nitarika izany androany 30 Jolay.

Am-polotaonany maro hoy RA FREDY solontenan’ny Federasionin’ny mpihira gasy, no nanirian’ny mpihira gasy hahazo fotodrafitr’asa avy amin’ny Fitondram-panjakana, ka notanterahin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny izany. « 43 taona izao no nanaovako hiragasy fa izay vao nisy ohatr’izao » hoy ihany izy.
Fotodrafitr’asa maoderina hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ity vinita tamin’ny alàlan’ny Fiaraha-miasa 3P tamin’ny HENRI FRAISE FILS & Cie, ka afaka mandray mpijery miisa 700 izany ary voatandrina ny fenitra sy fepetra ary hasim-panahin’ny seho hiragasy. Ary anisan’ny mampiavaka an’ity KIANJAN’NY HIRAGASY ny fananany singa maro toy ny « loges » na efitrano roa fiomanan’ireo tarika hiseho an-tsehatra, ary koa ny fisian’ny Biraon’ny Federasiona izay hitantana ny toerana. Ny MSK amin’ny alàlan’ny OFNAC kosa no hiahy azy ireo.
Iray amin’ireo tetik’asa maro efa tontosan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hatramin’ny taona 2019 ny KIANJAN’NY HIRAGASY. Nanambara Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, fa mila apetraka amin’ny toerany ny Kolontsaina malagasy. Zava-kanto feno sady manan-karena hoy izy ny hiragasy, fampitàna hafatra sy nanabeazana nanomboka tamin’ny andron’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810), ka tokony homen-danja hatrany. Efa mipetraka any amin’ny UNESCO ny fangatahana ny hampidirana azy ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine immatériel de l’Humanité), ka mialohan’ny faran’ity taona 2023 ity no tokony hivoaka ny fanapahan-kevitry ny UNESCO.
Nahatonga solontena teto amin’ny KIANJAN’NY HIRAGASY avokoa ireo tarika maherin’ny 50 mandrafitra ny Federasiona ka mieli-patrana any amin’ny faritra maromaro (Itasy, Vakinankaratra, Analamanga, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania).