AKON’NY TAGNAMARO VOLANA AOGOSITRA FARITRA BONGOLAVA DISTRIKAN’NY TSIROANOMANDIDY
Fikojakojana ny zaridaina TOSIK’ART sy ny fanadiovana faobe ny biraon’ny TVM sy RNM Ambohitsoa no asa notanterahina.
Tonga nifanome tanana an-tsitrapo tamin’ny mpiara-miasa teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Bongolava nandritra ny hetsika, ny fikambanana ara-kolontsaina Bongolava.
Noho ny fahatsapan’izy ireo fa zava-dehibe ho an’ny tanora aty anivon’ny Faritra ny fahazoana ivo-toerana sahala amin’izao ka mendrika ny karakaraina.