TAGNAMARO BEFANDRIANA-AVARATRA: NIDIOVINA NY RENIRANON’I SOMBOAGNA

Tsy fahita matetika, fa rakotra olona ny reniranon’i Somboagna ny andron’ny Asabotsy 19 Aogositra lasa teo iny. Tsy nanavahana saragna, fa samy niara-nitomefy tao anaty rano, namarina ny kofafa sy ny angadiny ny vahoaka tao Befandriana-Avaratra, nanadio ity renirano ity.

Nosafidiana manokana ny reniranon’i Somboagna noho ity farany miantoka ny fiainan’ny mponina andavanandro. Amin’ity renirano ity tokoa mantsy no hakan’ny orinasa jirama rano ho jifain’ny mpanjifa.

Ankoatr’izay dia miantoka ny fahadiovan’ny mponina ihany koa ny Somboagna: eo no mandro, manasa lamba sy ny maro hafa.

Amin’izao maintany izao dia ilaina tokoa ny fanadiovan’i Somboagna, mba hampikoriana tsara ny rano, ka hipetraka mandrakariva ny fahadiovan’ny rano.

Aorian’izao Tagnamaro izao dia hentitra ny fanaraha-maso atao amin’ireo olona tsy manaja ny fahadiovan’ny rano. Ny hetsika rehetra dia notarihin’ny delegasiona serasera sy ny Kolontsaina ao Befandriana-Avaratra.