LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-XI TARANJA TENNIS
NAMIRATRA ISIKA MALAGASY OMALY. MITOHY ANIO ALAROBIA MARAINA ENY AMIN’NY ACSA AMBOHIDAHY NY LALAO.
Anatin’ireo medaily miisa 05 horombahina amin’ity taranja ity dia namiratra isika malagasy tamin’ny lalao omaly:
Teo amin’ny « double dames » dia nandrombaka ny volamena i Mialy RANAIVO sy Mitia VOAVY ary volafotsy kosa an-dry Harena VOAVINDRAINA sy Narindra RANAIVO
Teo amin’ny « double messieurs » kosa dia medaily volafotsy no azon-dry Lucas ANDRIAMASILALAINA sy Toky RANAIVO.
Ary i Fenosoa RASENDRA sy Roméo RAKOTOMALALA kosa nahazo ny medaily alimo.
Medaily 03 sisa no horombahina dia ny « simple Dame », ny « simple Homme » ary ny « par équipe ».