LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-XI

Tanterahina anio ny lanonam-panokafana

Ilazana isika rehetra fa afaka mamonjy toerana avo mahatazana an’i Mahamasina raha maniry hijery ny seho miavaka dia miavaka mandritra ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 anio hariva.
Manomboka amin’ny 5 ora tolakandro ny lanonam-panokafana fa ny seho miavaka (show drône, mapping sns…) sy ny afomanga kosa dia manomboka amin’ny 07 ora hariva.
Tsiahivina fa handeha mivantana amin’ny TVM ihany koa ny lanonana rehetra.
Misaotra tompoko