ROVAN’I MADAGASIKARA
NIROSO AMIN’NY FAMPIASANA TAPAKILA ELEKTRONIKA
Roa volana aorian’ny fisokafany dia tafiditra tanteraka ho isan’ny toerana sy vakoka ankafizin’ny mpitsidika sy mpizahatany eto Antananarivo sy ny manodidina ny Rovan’i Madagasikara.
Natomboka androany Alarobia 23 Aogositra ny fampiasana ny tapakila elektronika manaraka ny vanim-potoanan’ny fivoarana. Fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miaraka amin’ny orinasa MANOOVA no nahafahana nametraka an’ity milina elektronika ity mba hanamora ny fandraisana ny mpitsidika.
Nazavain-dRamatoa Minisitra @Lalatiana RAKOTONDRAZAFY androany fa araky ny toromariky ny Filoha Andry Rajoelina no nametrahana an’io milina ara-kajy mirindra io, ary manomboka izao dia azo jifaina amin’ny tranonkala www.ticketplace.io ny tapakila ho an’ny mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara. Vao miditra amin’io tranonkala io dia hita avy hatrany ny torolàlana ahafahana misafidy ny tapakila ilaina, na ho an’ny ankizy izany na olon-dehibe, na vondron’olona na teratany na vahiny. Ankoatra ny fitsidihana io tranokala io, dia mitohy hatrany ihany koa ny fivarotana ny tapakila eny an-toerana ihany, amin’ny alalan’io E-TICKET io ihany.
Amin’izao fotoam-pialantsasatra lehibe na « grandes vacances scolaires » anatin’ny tonontaonan’ny fampianarana izao hoy Ramatoa Minisitra, dia tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny fahazotoan’ny olona mitsidika ny Rovan’i Madagasikara, ka manodidina ny 1000 isan’andro izany ary mananika ny 2000 ny faran’ny herinandro. Na malagasy manerana ny nosy na mpizahatany vahiny na teratany na avy any ivelany dia liana avokoa. Vinaina hitombo hatrany ny mpitsidika amin’izao ankatoky ny fanombohan’ny @JIOI na Lalaon’ny Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana izao, ka noho ny fiaraha-miasan’ny MSK amin’ny Minisiteran’ny Fizahantany dia tafiditra ao anatin’ilay tolotra ara-pizahantany « City tour » haroso ireo delegasiona iraisam-pirenena, ny fitsidihana ny Rova mandritra ny fotoanan’ny JIOI.