TAGNAMARO manokana nifandrimbonan’ny Minisitera rehetra androany Alakamisy 24 Aogositra.

Araky ny toromarik’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, dia niara-nisalahy nanadio sy nanajary toerana maro teto Antananarivo ny Minisitera tsirairay notarihin’ireo Minisitra mpikambana amin’ny Governemanta.

Teny amin’ny làlana Anosikely mankany Anosibe iny no anjaran’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka nitarika an’ity TAGNAMARO manokana ity Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
Nambarany fa maro ireo ezaka vitan’ny Minisitera tsirairay nandritra ny tontolo andro androany.