TAGNAMARO MANOKANA MORAMANGA

Niara-nientana nanadio ny kianja manarapenitra ao Moramanga ireo sampandraharaha maro samihafa, fikambanana mpitia fanatanjahan-tena, ny mponina manodidina, fikambanana ara-tsosialy sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny fikambanan’ny mpanao gazety nandritra ny hetsika TAGNAMARO manokana natao androany alarobia 06 septambra 2023.

Nosafidiana manokana izao asa izao satria efa voafefy tamboho ity kianja ity. Nitarika ny hetsika ny Lehiben’ny Distrikan’i Moramanga ary nandrindra izany ny avy ao anivon’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Niara-nisalahy tamin’ny fampitaovana ny CU Moramanga sy ny Orinasa Fanalamanga.