TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Ho velomina indray ny « Podium » ao amin’ny fokontany Atsimondrova Ambatondrazaka izay tsy voajary sy tsy voakarakara ka tsy afaka nampiasaina tao anatin’ny fotoana maro. Natomboka tamin’ny alalan’ny hetsika TAGNAMARO ny asa androany sabotsy 16 septambra 2023, ka nisy ny fandokoana sy fanadiovana faobe ity toerana izay anisan’ny manan-tantara eto amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ity.

Nifanome tanana tao anatin’izany ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, fikambanana, olom-pirenena ary tazana teto ihany koa ireo Filoham-pokontany sy ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana. Niara-niasa tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Alaotra Mangoro ka nahafahana nanatontosa izao hetsika izao ny Prefektiora, ny fiadidiana ny tanàna, ny Alliance Française, ny LEO club Ambatondrazaka Lac Alaotra ary ny fikambanana STAND UP.

Ho ampiasain’ireo tanora hanaovana hetsika ara-kolontsaina ity toerana ity nefa afaka anaovana hetsika hafa ihany koa, ary efa nisy sahady ny fampisehoana nataon’ny STAND UP tamin’ity andro ity.

Mbola tsy vita tanteraka ny asa ka ho jerena ny fomba hanohizana izany amin’ny alalan’ny TAGNAMARO hoy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina.