TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA
DISTRIKAN’I TOLIARA I
Teto amin’ny Lycée Antaninarenina Toliara no nanaovana ny Tagnamaro tamin’ity volana Aogositra ity. Nangataka mafy ireo tomponandraikitra eto an’ivonity sekoly mba hanaovana Tagnamaro eto amin’ity toerana ity, nohon’ny fahavoazana mahazo ity efitrano fianarana ato amin’ny tapany avaratra ity, vokatrin’ny fikisahan’ny tora-pasika izay efa tafiditra ao anatin’ny efitrano fianarana sy lasa mihady efa mihalalina ny fototry ny trano satria entin’ny tsiokatimo mikisaka ny fasika tokony hitazona ilay fototra
Asa natao teto dia nanala ireo fasika izay efa miditra ao anaty efi-trano sy nanala ihany koa ireo fasika nanototra ilay pavé ary nameno fasika ireo fototra efa mihady lalina.
Nian-dahy niam-bavy ny rehetra teto nifarimbona tamin’ny fanaovana ny asa antsitram-po satria izay maha Tagnamaro ny Tagnamaro dia ny fanaovana ny asa soa iombonana ho an’ny mpiara-belona no sady fanentanana ihany koa amin’ny maha zava-dehibe ny soatavina maha Malagasy. Ireo mpandray anjara dia nahitana an’ireo mpitandro filaminana toy ny Zandary, ny Cisco Toliara I, ny Fikambanana VVF na Ny Vahoaka Vonona amin’ny Fampandrosoana, ny sampandraharaha maro samy hafa ary ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana, izay nitarika ny hetsika niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy.
Vita ny asa, tratra ny tanjona ary faly ireo Talen’ny sekoly, velo-pisaorana tamin’ny fahavitrahan’ny tsirairay tamin’izao asa iombonana ho fanasoavana ny mpiara-belona toy izao, izay asa hisitrahan’ireo mpianatra mianatra ato amin’ity Sekolim-panjakana ity.