TAGNAMARO MORAMANGA

Tontosa ny sabotsy 16 septambra 2023 teo ny TAGNAMARO fanao isam-bolana ho an’ny distrikan’i Moramanga izay tafiditra indrindra amin’ny andro manerantany ho an’ny fanadiovana. Asa natao tamin’ity indray mitoraka ity ny fanangonana ireo fako misavovona afovoan’ny tanàna ao amin’ny fokontany Moramanga ambony.

Niara-nisalahy tamin’izany ny fikambanana maro nahitana ny « association Mifanampy » sy ny LIONS club, ny mpanao gazety, ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ny skoto, ny olom-pirenena ary ny CU Moramanga. Ny avy ao anivon’ny Distrika no nikarakara ny hetsika ary nanao ny tahan-tsoroka ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina.