TAGNAMARO SAMBAVA

FANESORANA NY FAKO MANAKAIKY NY VINANY

Toerana fitsangatsanganana ny sisin-dranomasina ka ilaina madio lalandava. Izany no nisafidianana ny fanesorana ireo fako amin’ny sisin-dranomasina manakaiky ny vinany nandritra ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tany Sambava androany Asabotsy 16 Septambra 2023.

Niara-nientana nanatanteraka izany ireo Sampan-draharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ny fikambanana, ny JCI, izay notarihin’ny Fitaleavam-paritrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina SAVA.