TAGNAMARO FORT-DAUPHIN.

Afaka mianatra soa aman-tsara, ankehitriny, ireo mpianatra mampiasa ireto efitrano roa ireto na dia latsaka ny orana raha toa ka tsy afaka nanao izany teo aloha.

Narenina tamin’ny alalan’ny HETSIKA TAGNAMARO omaly asabotsy 23 septambra ny trano misy efitra roa eo anivon’ny CEG Lanirano , eto anivon’ny Kaominina ambonivohitry Fort-Dauphin , ka voasolo daholo ireo fanitso 40 isa efa nisy fahasimbany, voaloko ny rindrina ivelany sy anatiny, ary voadio ny tokotany.

Tanteraka izao hetsika izao nohon’ny fisian’ny toko telo nahamasa-nahandro :

– Ireo olona malala-tànana (izay ho tanisaina etsy ambany),

– isika olom-pirenena tonga nanatanteraka ny hetsika,

– ary ny Kômity Mpandrindra ny Tagnamaro Anôsy izao eo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-Paritrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy , niaraka amin’ny CEG Lanirano.

Voa-porofo hatrany amin’ny alalan’ny TAGNAMARO fa

– AFAKA manarina sy manamboatra fotodrafitrasam-bahoaka izay fananana iombonana isika olom-pirenena aty ifotony fa tsy voatery miandry famatsiam-bola avy any ivelany.

– AFAKA manapa-kevitra isika mpiara-belona eto an-toerana : Isika mpiasam-bahoaka, ireo mpandraharaha maro samihafa, ireo fikambanana marolafy, ny olom-pirenena tsirairay, manambatra ny hery (ara-bola, ara-pitaovana, ara-potoana, ara-pifandraisana, arak’olona, sns) mba ahafahana mandroso.

Mankasitraka antsika rehetra nandray anjara tamin’ity Tagnamaro fanarenana ny CEG Lanirano ity. Omeko fankasitrahana manokana ianareo malala-tanana izay nanaiky sy namaly ny fangatahana tolo-tanana nataon’ny Kômity Mpandrindra Tagnamaro eto Anôsy :

– Ramatoa Governoran’ny Faritra Anôsy ;

– Andriamatoa CHABANI Noudine ;

– Ramatoa Talem-Paritrin’ny Fanabeazam-pirenena eto Anôsy

– Atoa Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana eto Tôlagnaro

– Atoa RATSITSISON Miharisoa Zelin

– Atoa Talen’ny Assurance ARO eto Fort-Dauphin ;

– Mpampianatra vitsivitsy,

– OSIET (Organisation Sanitaire Inter Entreprise de Taolagnaro) ;

– Tranombarotra TAHERY (Atoa Amiraly), Bazaribe

– Tranombarotra VAOVAO (Atoa Youssouf), Tanambao

– Tranombarotra HAKIMI (Atoa Zouzou) Bazaribe

– AUXIMAD

– ONG Aquatic Service ;

– EPP Lanirano

– Magasin SOALAMBA, Bazaribe

– JAMILI STORE , Bazaribe

– Magasin Saify, Chez Maria, Bazaribe

– Fakhri Snack

Tolo-tanana voavory : Vola : 1.430.000 Ar, Loko 85 kg, Fantsika : 6kg, Simenitra : 1 lasaka, Fantsika vifotsy : 1kg