NATONTAN’NY MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA NY BOKY ยซย ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ย ยป IZAY MIRAKITRA IREO AMBOARAN-TONONKALO NOSORATAN’I RADO
Asa soratra fantatry ny maro miisa 16 toy ny ยซย ๐๐ฏ๐ ๐๐ซ๐๐ก๐ ๐๐๐๐ก๐๐ก๐ย ยป sy ny ยซย ๐ข๐๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ค ๐ง๐ฎ ๐ง๐๐๐ ๐คย ยป no mandrafitra ny boky ยซย Hiram-bavakaย ยป izay mirakitra ireo tokonkalo ranom-bavaka nosoratan’i ANDRIAMANANTENA Georges nanomboka tamin’ny taona 1949 hatramin’ny taona 2005.
Boky 84 pejy izay izarร na amin’ny mpankafy ny lafiny fiainam-panahy ary koa ahatsapana ny maha zava-dehibe ny vavaka teo amin’ity andrarezin’ny literatiora sy haisoratra malagasy.
Io bokiny izay mbola tsy natonta io no nosafidian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hatao fahatsiarovana ny fankalazana ny faha 100 taona nahaterahany.
Tetik’asa izay manampy isa an’ireo asa sy ezaka mba hamerenana indray ny lanjan’ny vaky boky.
Natolotra ny fianakavian’i RADO ity boky omaly 4 Oktobra tao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara Anosy. Nampatsiahy ny fianakaviany fa efa hatramin’ny taona 2008 no nikasan’i RADO hamoahana an’ity boky ity, saingy tsy vita izany satria tamin’io taona io izy no nodimandry.
Ankehitriny dia tanterahin’ny MSK ny fanontana manontolo azy, taorian’ny nanambaran-dRamatoa Minisitra ๐๐๐๐๐ฅ๐๐๐๐ โ๐ธ๐๐๐๐โ๐ปโ๐ธโค๐ธ๐ฝ๐ izany ny 30 Mey lasa teo nandritra ny lanonam-panokafana ny jobily fankalazana izany faha 100 taona izany.
Mampiavaka ny boky ยซย ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ย ยป ny anoloran’ny mpanoratra ihany koa ao anatiny, ny ยซย Solfaย ยป ho an’ny mpihira ary koa ยซย Solfรจgeย ยป ho an’ny mpitendry ankoatra ny tokonkira.
Nilaza Ramatoa Minisitra fa poeta feno sy niavaka i Rado, noho izy mpanakatonโny fitiavana sy mpanakatonโny finoana ary indrindra olon’ny Fitiavan-tanindrazana.