NOTOKANANA NY 5 OKTOBRA 2023 NY IVOTOERAM-PIKOTREHANA VINA FAMORONANA ASA ORINASA ARA-KOLONTSAINA HO AN’NY TANORA AO SAMBAVA
Fandaharan’asa lehibe iray nimasoan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanamby fananganana ny « Centre d’Incubation en Entrepreunariat Culturel et Industrie Créative » amin’ny Faritra maromaro, ka ity notokanana omaly 5 OKTOBRA ity no fahadimy tafaorina.
Toy ireo efa mitsangana any Toamasina (Atsinanana), Antananarivo (Analamanga), Ihosy (Ihorombe) ary Tsiroanomandidy (Bongolava), dia apetraka miaraka amin’ity fotodrafitr’asa ity ny tetik’asa « TOSIK’ART » izay hampiofana sy hanohanana ary hanao tan-tsoroka an’ireo tanora manana vina famoronana ara-kolontsaina sy amin’ny lafiny Serasera sy zava-kanto.
Efa misy 20 ireo tanora andiany voalohany avy amin’ny Faritra SAVA vonona hofanina amin’izany eto Sambava ka hisitraka fampiofanana amin’ireo lohahevitra manaraka ireto:
– Fananganana sy fitantanana orinasa (création et gestion d’entreprise),
– Fomba fitantanana orinasa (gestion d’entreprise),
– Haitarika (leadership),
– Fampivoarana ny maha-izy ny tsirairay (développement personnel).
Nilaza Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fa Tetik’asa efa nahitam-bokatra azo tsapain-tanana ny TOSIK’ART. Ka tombony ho an’ireo tanora avy aty amin’ny Faritra SAVA izany.