Nandritra ny fananganan-tsaina anio Alatsinainy 9 Oktobra 2023, no nanaovany Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY veloma ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy izay nitazona ny Minisitera nandritra ny 4 taona 8 volana ary 16 andro.

Tao anatin’ny lahateny nataony no nisaorany ireo mpiara-miasa rehetra : ireo ao anatin’ny fitantanana ny Minisitera sy ireo mpiasa eo anivon’ny Minisitera rehetra. Tena maro hoy izy ireo zavatra vita tao anatin’izay fotoana nitantanana izay na isan’ireo Minisitera kely teti-bola aza ny MSK.

Taorian’ny fananganan-tsaina dia natao ny fametrahana ny sary tao amin’ny efitrano Gisèle Rabesahala misy ny sarin’ireo Minisitra nifandimby teo anivon’ny kolontsaina. Niverina tao amin’ny birao i Ramatoa Minisitra nanao sonia ny fametraham-pialany. Ary nataon’ireo mpiara-miasa rehetra veloma tamin’ny alalan’ny tehaka mirefodrefotra mialohan’ny namonjeny ny fiarany.

Ny fianakaviam-ben’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manerana an’i Madagasikara dia mankasitraka mankatelina amin’ny finiavana sy ny haitarika nentin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY tao anatin’izay fotoana nitantanany izay, mankasitraka ihany koa amin’ny fampianarana sy ny fitaizana fa afaka manao zavatra mivaingana maro rehefa eo amin’ny fitantanana ka manana tanjona sy finiavana hanao ny tsara ary hanaraka ny hitsiny. Mirary soa ho azy amin’ny mbola làlana izorany rehetra.