NAMPAHAFANTARINA OMALY ALATSINAINY 9 OKTOBRA NY FANDAHARAN’ASA KOL’TOUR.
Fandaharan’asa maro no nentin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nameloma-maso sy nanomezana aina vao indray ireo Vakoka manan-tantara manerana ny nosy.
Tsy latsa-danja amin’izany eto Antananarivo sy ny manodidina, ka mba ahafahan’ny malagasy tsy vaky volo ary koa ny mpizahatany vahiny mahafantatra sy manjifa ireo Harem-bakoka sy zava-maro mahaliana ara-tantara sy ara-kolontsaina ireo, no namolavolana an’ireto tolotra ara-pizahantany roa manaraka ireto:
Circuit
karakaraina ny andro Sabotsy ka ahafahana mitsidika ny:

– Ny Rovan’Ambohimanga,
– Ny Rovan’Ilafy,
– Ny Rovan’i Madagasikara.
Circuit
karakaraina andro ny Alahady ka tsidihina amin’izany ny:

– Mozea Rainilaiarivony ao Amboditsiry,
– Ireo fampirantiana sy seho ao amin’ny Ivokolo Analakely,
– Ireo fampirantiana ao amin’ny Tranosary Ambohidahy,
– Ny Mozean’ny Haino aman-jery HAVORIA eny Anosy,
– Ny Kianjan’ny HIRAGASY eo Ampefiloha.
Porofon’ny asa sy ezaka nilofosan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo rehetra ireo, ka ankoatra ny fampahafantarana ny daholobe izay afaka hanjifa mivantana azy ireo dia raisin’ny Minisitera ho adidy ihany koa ny mampahafantatra azy an’ireo mpisehatra sy matihanina amin’ny lafiny Fizahantany mivondrona ao amin’ny Ofisim-pirenen’ny Fizahantany (ONTM) sy ny ORTANA na Ofisin’Analamanga.
Ka omaly Alatsinainy tolakandro no nampahafantarina azy ireo sy ny Tale Jeneraly miahy ny Fizahantany eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany tao amin’ny Ivokolo Analakely izany.