HAVATSA UPEM
Mampiantrano ny fankalazana ny Herinandron’ny HAVATSA UPEM ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara. Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Kolontsaina RAZAFIARISON Francis no nanokatra an’izany tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Efitrano Dox.
Hetsika maro samihafa no nomanin’ireo mpikambana mandritra ny herinandro ny toy ny fihaonana amin’ireo mpanoratra am-perim-panoratana, antsa tononkalo, fampirantiana, varotra boky, sns…
Ny 28 Oktobra moa vao hifarana ity hetsika ity ka hanentanana ny rehetra hitsidika!