FANDAHARAN’ASA « CARAVAN ‘ILES »
Miara-miombonantoka amin’ny fikambanana ALM na « Association des Librairies de Madagascar » ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka mikarakara an’ity hetsika ity, amina tanàn-dehibe maromaro eto Madagasikara. Rehefa avy nanatanteraka izany tany amin’ny nosy rahavavy La Réunion sy Maurice.
Tamin’ny fitetezam-paritra natao tany Mahajanga, Toamasina, Sambava, Ambositra ary nofaranana teto Antananarivo ny 26 Oktobra lasa teo tao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara, dia ankizy sy tanora an-jatony maro no nentanina teo amin’ny sehatry ny famakiam-boky sy fiarovana ny tontolo iainana, satria “Ny tontolo iainantsika” ny lohahevitra amin’ity taona ity.